Asan'ny Apostoly 19:4
Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan’ ny fibebahana ka nilaza tamin’ ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo.
Read all of Asan'ny Apostoly 19
Cross References
Matthew 3:11Izaho dia manao batisa anareo amin’ ny rano ho amin’ ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna sy ny afo;
Matthew 21:25Ny batisan’ i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona? Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy ianareo?
Luke 1:76Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan’ ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.
John 1:7Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ ny olona rehetra noho ny teniny.
John 1:27dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
John 3:28Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.