Asan'ny Apostoly 21:31
Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin’ ny mpifehy arivo tamin’ ny antokon’ ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 21
Cross References
1 Kings 1:41Ary Adonia sy ireo olona rehetra izay nasaina teo aminy nandre izany, rehefa nitsahatra nihinana izy. Ka raha nahare ny feon’ ny anjomara Joaba, dia hoy izy: Inona re izany hotakotaka mampitabataba ny tanàna izany e?
Mark 14:2Nefa hoy izy: Tsy amin’ ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka.
John 18:12Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin’ ny Jiosy dia nisambotra an’ i Jesosy ka namatotra Azy,
Acts 17:5Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon’ i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin’ ny olona.
Acts 21:38Moa tsy ianao va ilay Egyptiana, izay nampikomy ny olona fahiny ka nitarika ny efatra arivo lahy mpitondra lefom-pohy nankany an-efitra?
Acts 23:17Ary Paoly niantso ny kapiteny anankiray hankeo aminy ka nanao hoe: Ento mankany amin’ ny mpifehy arivo ity zatovo ity, fa manan-teny holazaina aminy izy.