Filazantsara araka an'i Jaona 18:12
Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin’ ny Jiosy dia nisambotra an’ i Jesosy ka namatotra Azy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then the band and the captain and officers of the Jews took Jesus, and bound him,
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 18
Cross References
Genesis 22:9Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an’ i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin’ ny alitara teo ambonin’ ny kitay.
Judges 16:21Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin’ ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.
Matthew 26:57Ary izay efa nisambotra an’ i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin’ i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
Mark 14:53Ary nitondra an’ i Jesosy ho any amin’ ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.
Luke 22:54Ary izy ireo nisambotra an’ i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon’ ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.
Acts 21:31Ary raha nitady hamono azy ny olona, dia nisy teny nakarina tany amin’ ny mpifehy arivo tamin’ ny antokon’ ny miaramila nilaza fa mikotaba avokoa Jerosalema rehetra;