Asan'ny Apostoly 22:16
Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin’ ny fahotanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15fa ho vavolombelony amin’ ny olona rehetra ianao ny amin’ izay efa hitanao sy renao.
Read all of Asan'ny Apostoly 22
Cross References
Jeremiah 8:14Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda, ka dia ho faty ao; fa Jehovah Andriamanitra efa nanendry antsika ho faty ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin’ i Jehovah.
Acts 2:38Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna;
Acts 9:18Ary niaraka tamin’ izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ ny hazandrano niala avy tamin’ ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa;
Romans 10:12Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa, fa iray ihany no Tompon’ izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy.
1 Corinthians 6:11Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompo sy tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitsika.
Galatians 3:27Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’ i Kristy dia nitafy an’ i Kristy.