Asan'ny Apostoly 26:3
indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin’ ny Jiosy; koa trarantitra ianao, mba mahareta hihaino ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 26
Cross References
Jeremiah 32:11Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin’ ny taratasy mivelatra koa;
Acts 21:21sady efa novokisan’ olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin’ ny jentilisa hahafoy an’ i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana.
Acts 24:10Ary rehefa notondroin’ ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin’ ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
Acts 25:26Ny amin’ io lehilahy io tsy hitako izay teny marina hosoratako amin’ ny tompoko, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina izy, ka dia ho hitako izay hosoratako.
Acts 26:26Fa fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin’ ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin’ ny takona izany.
1 Corinthians 13:2Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.