Acts 28:4
Ary raha hitan’ ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin’ ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin’ ny ranomasina aza izy, tsy avelan’ ny todin’ aina ho velona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Fa nakifiny ho eo amin’ ny afo ilay biby, ka tsy nisy naninona izy na dia kely akory aza.
Cross References
Genesis 3:1Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’ i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin’ ny saha?
Genesis 9:5Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin’ ny tanan’ ny manan’ aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ ny tanan’ ny olona, dia eo amin’ ny tanan’ ny olona avy, no hanadinako ny ain’ ny olona.
Numbers 35:31Ary ianareo tsy handray avotry ny ain’ ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa hatao maty tokoa izy.
Isaiah 13:21Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,
Isaiah 43:20Dia hanome voninahitra Ahy ny bibi-dia sy ny amboadia ary ny ostritsa, satria manisy rano any an-efitra sy ony any amin’ ny tany lao Aho, Hampisotroana ny oloko, dia ilay voafidiko.
Matthew 23:35mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ ny tany, hatramin’ ny ran’ i Abela marina ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, zanak’ i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ ny tempoly sy ny alitara.