Asan'ny Apostoly 3:19
Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
Read all of Asan'ny Apostoly 3
Cross References
1 Kings 8:48ka dia miverina aminao amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin’ ny tanin’ ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao,
Psalms 51:1Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida,
Psalms 51:13Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masìna amiko.
Psalms 98:1Fihirana. Mihirà fihiram-baovao ho an’ i Jehovah; Fa efa nanao fahagagana Izy; Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masìna no nahavitany famonjena.
Isaiah 1:16Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan’ ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
Isaiah 6:10Ataovy adala ny fon’ ity firenena ity, Ary ataovy lalodalovana ny sofiny, Ary ataovy mikimpy ny masony, Fandrao hahita ny masony, Sy handre ny sofiny, Ary hahalala ny fony, Dia hibebaka izy ka ho sitrana.