Asan'ny Apostoly 3:20
ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he shall send Jesus Christ, which before was preached unto you:
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 3
Cross References
Matthew 16:27Fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
Matthew 24:30Ary amin’ izany andro izany dia hiseho eo amin’ ny lanitra ny famantarana ny Zanak’ olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, ary hahita ny Zanak’ olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ ny rahon’ ny lanitra izy.
Mark 13:30Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.
Luke 21:27Ary amin’ izany andro izany dia hahita ny Zanak’ olona avy eo amin’ ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
2 Thessalonians 2:2mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ ny saina na hampitahorina ianareo, na amin’ ny fanahy, na amin’ ny teny, na amin’ ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron’ ny Tompo.
Hebrews 9:28dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin’ ota, amin’ izay miandry Azy, ho famonjena.