Asan'ny Apostoly 3:22
Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin’ ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin’ izay rehetra holazainy aminareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Ary izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin’ ny olona.
Read all of Asan'ny Apostoly 3
Cross References
Isaiah 55:3Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’ i Davida.
Mark 9:4Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin’ i Jesosy.
Luke 13:33Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
John 1:17Fa ny lalàna dia nomena tamin’ ny alalan’ i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
John 5:39Dinihinareo ny Soratra Masìna, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.
John 12:46Izaho tonga amin’ izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ ny maizina izay rehetra mino Ahy.