Luke 13:33
Kanefa tsy maintsy mandeha ihany Aho anio sy ampitso sy raha afaka ampitso; fa ny mpaminany tsy azo vonoina, raha tsy any Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Matthew 21:11Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.
John 4:34Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
John 11:9Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin’ ny folo va ny ora amin’ ny indray andro? Raha misy mandeha amin’ ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’ izao tontolo izao.
John 12:35Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran’ ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
Acts 13:27Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon’ ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin’ ny nanamelohany Azy.