Asan'ny Apostoly 4:13
Ary nony nahita ny fahasahisahian’ i Petera sy Jaona izy, sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga izy; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’ i Jesosy izy roa lahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary nony nijery ny lehilahy izay efa sitrana nitsangana teo aminy izy, dia tsy hitany izay havaliny.
Read all of Asan'ny Apostoly 4
Cross References
Matthew 4:18Ary nony nitsangantsangana teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.
Matthew 26:57Ary izay efa nisambotra an’ i Jesosy dia nitondra Azy ho any amin’ i Kaiafa mpisoronabe, izay nivorian’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona.
Matthew 26:73Ary nony afaka kelikely, dia nanatona izay nijanona teo ka nanao tamin’ i Petera hoe: Marina tokoa fa naman’ ireny ianao; fa ny fiteninao miampanga anao.
Luke 22:52Ary hoy Jesosy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
John 7:15Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan’ ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?
John 18:16Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin’ ny mpiandry vavahady, dia nitondra an’ i Petera niditra.