Asan'ny Apostoly 4:2
fa sosotra izy noho ny nampianaran’ ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin’ ny alalan’ i Jesosy ny fitsanganana amin’ ny maty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 4
Cross References
John 11:47Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.
Acts 5:17Ary nitsangana ny mpisoronabe mbamin’ ny namany rehetra (izay antokon’ ny Sadoseo), fa feno fialonana izy,
Acts 13:45Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’ i Paoly, sady niteny ratsy.
Acts 17:31satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty.
Acts 24:14Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an’ Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin’ ny lalàna sy ny mpaminany,
Acts 26:8Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty?