Asan'ny Apostoly 4:21
Ary rehefa norahonany indray izy, dia nalefany; fa tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; satria izy rehetra nankalaza an’ Andriamanitra noho ny amin’ ny zavatra efa natao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.
22Fa efa tsy omby efa-polo taona ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.
Read all of Asan'ny Apostoly 4
Cross References
Matthew 9:33Ary rehefa navoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka ka nanao hoe: Tsy mbola nisy niseho toy izao tamin’ ny Isiraely.
Matthew 21:46Dia nitady hisambotra Azy izy, saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon’ ny vahoaka ho mpaminany Jesosy.
Luke 5:26Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an’ Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.
Luke 19:47Ary nampianatra isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Izy. Fa ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy;
Luke 20:19Ary tamin’ izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan’ ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin’ izany fanoharana izany.
John 12:18Ary izany koa no nitsenan’ ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy.