Asan'ny Apostoly 5:9
Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr’ izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 5
Cross References
Genesis 20:13Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin’ ny tranon’ ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin’ ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin’ izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.
Exodus 17:7Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon’ ny Zanak’ Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an’ i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?
Deuteronomy 13:6Fa izany mpaminany na mpanonofy izany dia hatao maty satria efa nanao teny fampiodinana amin’ i Jehovah Andriamanitrareo (Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta ka nanavotra anao tamin’ ny trano nahandevozana), mba hitaona anao hiala amin’ ny lalana izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrao halehanao. Ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Psalms 50:18Raha mahita mpangalatra ianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin’ ny mpijangajanga.
Psalms 78:40Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin’ ny tany foana!
Psalms 95:8Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba, Sy tahaka ny tamin’ ny andro tao Masa fony tany an-efitra,