Asan'ny Apostoly 6:10
Fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And they were not able to resist the wisdom and the spirit by which he spake.
In Context
11dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an’ i Mosesy sy Andriamanitra ity.
Read all of Asan'ny Apostoly 6
Cross References
Job 32:8Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ ny zanak’ olombelona sy ny fofonoin’ ny Tsitoha no mahahendry azy.
Isaiah 54:17Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ ny mpanompon’ i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
Jeremiah 15:20Ary hataoko manda varahina mirova ho amin’ ity firenena ity ianao: Hiady aminao izy, nefa tsy hahaleo anao; Fa momba anao hamonjy sy hanafaka anao Aho, hoy Jehovah;
Micah 3:8Fa izaho kosa dia feno hery, dia ny Fanahin’ i Jehovah, Mbamin’ ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin’ i Jakoba ny helony Sy amin’ Isiraely ny fahotany.
Luke 1:17Ary izy handeha eo alohany amin’ ny fanahy sy ny herin’ i Elia mba hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ ny fahendren’ ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ ny Tempo.
Luke 21:15fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.