Acts 7:27
Fa ilay namely maina ny namany dia nanosika azy ka nanao hoe: Iza no nanendry an’ ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Moa ta-hamono ahy koa va ialahy tahaka ny namonoan’ ialahy ilay Egyptiana omaly?
Cross References
1 Samuel 25:14Ary Abigaila, vadin’ i Nabala, dia nilazan’ ny anankiray tamin’ ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin’ ireny izy.
Matthew 21:23Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
John 18:36Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin’ izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’ izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’ izany ny fanjakako.
Acts 3:13Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’ i Jesosy Mpanompony, Izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’ i Pilato, rehefa nokasainy halefa.
Acts 4:11Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro.
Acts 7:35Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an’ ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? kanjo izy ihany no nirahin’ Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban’ ny tanan’ ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin’ ny voaroy.