Filazantsara araka an'i Jaona 18:36
Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin’ izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’ izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’ izany ny fanjakako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 18
Cross References
Isaiah 9:6Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
Daniel 7:14Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
Matthew 26:53Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
Luke 17:20Ary Jesosy, nony nanontanian’ ny Fariseo izay andro hihavian’ ny fanjakan’ Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
John 8:15Hianareo mitsara araka ny nofo; Izaho tsy mitsara olona na dia iray akory aza.
Colossians 1:12ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ ny lovan’ ny olona masìna eo amin’ ny mazava,