Asan'ny Apostoly 7:52
Iza no mpaminany izay tsy nenjehin’ ny razanareo? Eny, novonoiny aza izay naminany ny fihavian’ ilay Marina; ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono Azy ianareo,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
53dia olona izay nahazo ny lalàna tamin’ ny nandaharan’ anjely azy, nefa tsy nankato izany.
Read all of Asan'ny Apostoly 7
Cross References
1 Samuel 8:7Ary hoy Jehovah tamin’ i Samoela: Henoy ihany ny tenin’ ny olona amin’ izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.
1 Kings 19:14Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak’ Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin’ ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
2 Chronicles 36:16Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’ Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’ i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.
Jeremiah 2:30Foana ny namelezako ny zanakareo, fa tsy zaka nanarina izy; Ny sabatrareo nandringana ny mpaminaninareo, toy ny liona mamiravira.
Jeremiah 26:15Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin’ ity tanàna ity ary amin’ ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.
Zechariah 9:9Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.