Asan'ny Apostoly 8:7
Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ ny feo mahery, dia nivoaka tamin’ ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin’ ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’ izany tanàna izany.
Read all of Asan'ny Apostoly 8
Cross References
Matthew 4:24Ary niely eran’ i Syria ny lazany, ka dia nentin’ ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon’ ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin’ ny androbe ary ny mararin’ ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.
Matthew 11:5Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
Mark 2:3Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin’ ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain’ efa-dahy.
Mark 16:17Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ ny anarako izy; hiteny amin’ ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;
John 14:12Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray.
Acts 5:16Ary ny olona maro avy tamin’ ny vohitra manodidina an’ i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin’ ny fanahy maloto; dia sitrana avokoa izy rehetra.