Acts 9:5
Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao.
Cross References
Deuteronomy 32:15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
Job 9:4Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
Psalms 2:12Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
Acts 5:39fa raha avy amin’ Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho azonareo foanana, sao dia miseho ho mpiady amin’ Andriamanitra ianareo.
1 Corinthians 10:22Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?