Bokin'i Daniela 10:5
dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Daniela 10
Cross References
Joshua 5:13Ary nony teo akaikin’ i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman’ ny fahavalonay?
Jeremiah 10:9Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan’ ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan’ ny mahay zavatra izy rehetra.
Daniel 12:6Ary hoy ny anankiray tamin’ ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ ny rano amin’ ny ony: Mandra-pahoviana vao ho tanteraka ny faran’ ireo fahagagana ireo?
Ephesians 6:14Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
Revelation 15:6ary ny anjely fito izay nanana ny loza fito dia nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, ary niravaka vato soa madio sy mamirapiratra izy sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ ny tratrany.