Bokin'i Daniela 10:6
tahaka ny krysolita ny tenany, ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy ny feon’ olona maro be;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Daniela 10
Cross References
Ezekiel 1:7Ary mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia tahaka ny faladian’ ny ombilahy kely; ary mamirapiratra toy ny volon’ ny varahina manganohano izy.
Ezekiel 1:16Ny tarehin’ ny kodia sy ny rafiny dia tahaka ny volon’ ny krysolita, ary nitovy endrika izy efatra, ary ny tarehiny sy ny rafiny dia toy ny kodia anatin’ ny kodia.
Ezekiel 8:2Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin’ afo; hatramin’ ny valahany no ho midìna dia afo; ary hatramin’ ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon’ ny metaly mamirapiratra.
Matthew 17:2Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.
Revelation 1:13ary teo afovoan’ ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak’ olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin’ ny tratrany.
Revelation 10:3ary niantso tamin’ ny feo mahery izy, tahaka ny fieron’ ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito.