Bokin'i Daniela 12:13
Fa mandehana ianao mandra-pihavin’ ny farany; fa hitsahatra ianao ka hitsangana ho ao amin’ ny anjaranao amin’ ny andro farany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Sambatra izay miandry sy mahatratra ny andro dimy amby telo-polo amby telon-jato sy arivo.
Read all of Bokin'i Daniela 12
Cross References
Psalms 1:5Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin’ ny fitsarana, na ny mpanota eo amin’ ny fiangonan’ ny marina.
Psalms 16:9Izany no ifalian’ ny foko sy iravoravoan’ ny fanahiko; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.
Daniel 12:3Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ ny fahamarinana dia ho tahaka ny kitana mandrakizay doria.
Matthew 19:28Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny ny Zanak’ olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianana roa ambin’ ny folo ka hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo.
Luke 21:36Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona.
2 Thessalonians 1:7ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ ny anjelin’ ny heriny,