The Bible Software
bible.software › Bokin'i Daniela › Bokin'i Daniela 3 › Bokin'i Daniela 3:15

Bokin'i Daniela 3:15

Ankehitriny raha miomana ianareo amin’ izay handrenesanareo ny fanenon’ ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin’ ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’ izay ho ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ ny tanako izany?

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Now if ye be ready that at what time ye hear the sound of the cornet, flute, harp, sackbut, psaltery, and dulcimer, and all kinds of musick, ye fall down and worship the image which I have made; well: but if ye worship not, ye shall be cast the same hour into the midst of a burning fiery furnace; and who is that God that shall deliver you out of my hands?

In Context

14Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin’ ny sariolona volamena izay natsangako?

16Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin’ izany zavatra izany.

Read all of Bokin'i Daniela 3

Cross References

Exodus 32:32Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin’ ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.

2 Chronicles 32:15Koa ankehitriny, aza avela hamitaka anareo Hezekia, na hitaona anareo tahaka izao; aza mino azy ianareo; fa tsy nisy andriamanitra tany amin’ ny firenena sy ny fanjakana rehetra izay nahavonjy ny olony tamin’ ny tanako sy ny tanan’ ny razako; koa aiza ny Andriamanitrareo no hahavonjy anareo amin’ ny tanako?

Isaiah 37:23Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an’ iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin’ ny Isiraely.

Daniel 3:17Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ ny tananao, ry mpanjaka ô.

Daniel 6:16Dia somaritaka nivory ho any amin’ ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa izao no lalàn’ ny Mediana sy ny Persiana: Ny lalàna sy ny didy izay efa navoaky ny mpanjaka dia tsy azo ovana.

Matthew 10:19Fa raha manolotra anareo izy, dia aza manahy ny amin’ izay fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; Fa homena anareo amin izany ora izany izay holazainareo.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Daniela 3:15

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Daniela 3:14Bokin'i Daniela 3Bokin'i Daniela 3:16 →