Bokin'i Daniela 3:26
Dia nanatona ny varavaran’ ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin’ ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 3:17Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nijoro tsara tamin’ ny tany maina teo afovoan’ i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin’ ny tany maina mandra-pahatafitan’ izy rehetra an’ i Jordana.
Joshua 4:16Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny Vavolombelona hiakatra hiala eo Jordana.
Ezra 5:11ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon’ Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin’ ny Isiraely no nanao sy nahavita azy.
Isaiah 28:16Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.
Daniel 2:47Ny mpanjaka namaly an’ i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ ny mpanjaka ary Mampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany ianao.
Daniel 4:2Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan’ ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.