The Bible Software
bible.software › Bokin'i Daniela › Bokin'i Daniela 3 › Bokin'i Daniela 3:25

Bokin'i Daniela 3:25

Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak’ ireo andriamanitra.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

He answered and said, Lo, I see four men loose, walking in the midst of the fire, and they have no hurt; and the form of the fourth is like the Son of God.

In Context

24Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin’ ny mpanolo-tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin’ ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.

26Dia nanatona ny varavaran’ ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon’ Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin’ ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.

Read all of Bokin'i Daniela 3

Cross References

Job 1:6Ary tamin’ ny indray andro nony avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.

Job 38:7Raha niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra?

Psalms 91:3Fa Izy no hanafaka anao amin’ ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.

Isaiah 43:2Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo;

Daniel 3:28Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr’ i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin’ ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin’ izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.

Luke 1:35Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masìna ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masìna Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’ Andriamanitra.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Daniela 3:25

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Daniela 3:24Bokin'i Daniela 3Bokin'i Daniela 3:26 →