Bokin'i Daniela 3:5
Rehefa mandre ny fanenon’ ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin’ ny sariolona volamena izay efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjaka,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Daniel 3:7Koa tamin’ ny fotoana nandrenesan’ ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon’ ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin’ ny sariolona volamena izay efa natsangan’ i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.
Daniel 3:15Ankehitriny raha miomana ianareo amin’ izay handrenesanareo ny fanenon’ ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin’ ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’ izay ho ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ ny tanako izany?