Bokin'i Daniela 3:6
ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin’ izay ho ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 20:5Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy;
Jeremiah 29:22Ary izy roa lahy dia hataon’ ny babo rehetra amin’ ny Joda izay any Babylona ho fanozonana hoe: Hataon’ i Jehovah tahaka an’ i Zedekia sy Ahaba, izay nodoran’ ny mpanjakan’ i Babylona tamin’ ny afo, anie ianao,
Daniel 2:5Dia namaly ny mpanjaka ka nanao tamin’ ireny Kaldeana ireny hoe: Efa niloa-bava aho; raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary ny tranonareo hatao trano fivoahana.
Daniel 3:11fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin’ ny lafaoro misy afo mirehitra.
Daniel 3:21Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin’ ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin’ ny lafaoro nisy afo mirehitra izy;
Matthew 4:9dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.