Bokin'i Daniela 4:19
ianao indrindra izany, ry mpanjaka ô; ianao dia nihalehibe sy nihahery; fa ny halehibiazanao efa nitombo ka mipaka amin’ ny lanitra, ary ny fanapahanao hatramin’ ny faran’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 31:35Ary hoy Rahely tamin’ ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon’ ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.
Genesis 32:18Dia nanome teny ny voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An’ iza ianao? ary hankaiza moa? ary an’ iza ireo alohanao?
1 Samuel 1:15Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’ i Jehovah aho.
1 Samuel 24:8Dia nampijanona ny mpanompony tamin’ izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an’ i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin’ izay nalehany.
2 Samuel 18:31Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin’ izay rehetra nitsangana hikomy aminao.
Jeremiah 4:19Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangìna aho; Fa ny feon’ anjomara sy ny akoran’ ady dia renao, ry fanahiko.