Bokin'i Daniela 4:18
ny raviny dia tsara tarehy, sady betsaka ny voany, ary teo aminy nisy hanina ho an’ ny rehetra, teny ambaniny no nitoeran’ ny bibi-dia, ary teny amin’ ny rantsany no nitoeran’ ny voro-manidina,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 41:8Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran’ i Farao tamin’ ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’ i Farao.
1 Kings 14:2Ary hoy Jeroboama tamin’ ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr’ olona ho vadin’ i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan’ ity firenena ity aho.
Isaiah 47:12Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
Daniel 2:26Ny mpanjaka namaly ka nilaza tamin’ i Daniela, izay atao hoe koa Beltesazara, hoe: Moa mahay manambara amiko ny nofy izay hitako mbamin’ ny heviny va ianao?
Daniel 4:7Fa izao no fahitan’ ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan’ ny tany, ary fatratra ny hahavony.
Daniel 5:15Ary vao teo dia efa nampidirina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny; fa tsy nahalaza ny hevitry ny teny izy;