Daniel 4:7
Fa izao no fahitan’ ny lohako teo am-pandriako: Nijery aho, ka, indro, nisy hazo teo afovoan’ ny tany, ary fatratra ny hahavony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 41:8Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran’ i Farao tamin’ ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’ i Farao.
Psalms 37:35Efa hitako ny ratsy fanahy, fa loza loatra izy, ary nandrahaka tahaka ny hazo maitso maniry ho azy;
Jeremiah 27:9Ary aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’ i Babylona ianareo.
Daniel 2:1Ary tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Nebokadnezara dia nanonofy Nebokadnezara, ka nitebiteby ny fanahiny, ary tsy nahita torimaso izy.
Daniel 2:10Ny Kaldeana namaly teo anatrehan’ ny mpanjaka hoe: Tsy misy olona etỳ ambonin’ ny tany mahay milaza izany nofin’ ny mpanjaka izany; fa tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, nila zavatra toy izany tamin’ ny ombiasy sy ny mpisikidy ary ny Kaldeana.
2 Timothy 3:8Ary tahaka ny nanoheran’ i Jana sy Jambra an’ i Mosesy no anoheran’ ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.