Bokin'i Jeremia 27:9
Ary aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’ i Babylona ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 27
Cross References
Exodus 7:11Dia nampanalain’ i Farao ny olon-kendry sy ny mpanana ody; ary ireo ombiasy teo Egypta ireo dia nanao toy izany tamin’ ny fankatovany.
Deuteronomy 18:10Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zananilahy na ny zananivavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody,
Joshua 13:22Ary Balama, mpanao fankatovana, zanak’ i Beora, dia novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra niaraka tamin’ izay novonoiny.
Isaiah 47:12Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
Jeremiah 23:16Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan’ i Jehovah.
Jeremiah 23:32Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.