Bokin'i Daniela 7:11
Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon’ ny teny mihoapampana notenenin’ ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin’ ny afo mirehitra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Daniel 7:25Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr’ andro iray sy ny fetr’ andro roa ary ny antsasaky ny fetr’ andro.
Daniel 11:45Ary haoriny eo anelanelan’ ny ranomasina sy ny tendrombohitra masìna mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany; nefa ho tonga ao amin’ ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.
2 Peter 2:18Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan’ ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman’ ny velona eo amin’ ny fahadisoana intsony;
Revelation 13:5Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana.
Revelation 19:20Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin’ ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan’ ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin’ ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa.
Revelation 20:10Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin’ ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin’ alina mandrakizay mandrakizay ireo.