Bokin'i Daniela 7:24
Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin’ izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Daniel 7:7Nony afaka izany, dia nahita tamin’ ny fahitana tamin’ ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
Daniel 8:9Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin’ ny anankiray amin’ ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin’ ny tany mahafinaritra.
2 Thessalonians 2:3Aza mety hofitahin’ olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,
Revelation 12:3Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin’ ny lohany.
Revelation 17:3Dia nentiny tamin’ ny Fanahy ho any an’ efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.
Revelation 17:16Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ ny afo.