Apokalypsin'i Jaona 17:3
Dia nentiny tamin’ ny Fanahy ho any an’ efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibi-dia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 17
Cross References
2 Kings 2:16Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin’ ny mpanomponao; masìna ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain’ ny Fanahin’ i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo.
Ezekiel 3:12Ary nisy fanahy nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr’ i Jehovah avy amin’ ny fitoerany.
Ezekiel 11:24Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin’ ny fahitana, dia tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin’ ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.
Daniel 7:20ary ny amin’ ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
Daniel 11:36Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin’ Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.
2 Thessalonians 2:4ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.