Bokin'i Daniela 7:27
Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ ny fanjakana eny ambanin’ ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 22:27Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
Psalms 86:9Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.
Psalms 149:5Aoka ny olona masìna hifaly amin’ ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.
Isaiah 49:23Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin’ andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin’ ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy.
Isaiah 60:11Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren’ ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
Daniel 4:34Koa amin’ izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan’ ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin’ ny fiavonavonana dia hainy aetry.