Bokin'i Daniela 8:1
Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Belsazara mpanjaka dia nisy fahitana niseho tamiko, izaho Daniela, taorian’ ilay niseho tamiko tamin’ ny voalohany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Daniel 7:15Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan’ ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
Daniel 8:15Ary nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako.
Daniel 10:2Tamin’ izany andro izany izaho Daniela dia nisaona roatokom-bolana mipaka.
Daniel 11:4Ary rehefa mitsangana izy, dia horavana ny fanjakany ka hozaraina ho amin’ ny rivotra efatry ny lanitra; fa tsy ho an’ ny taranany, na araka ny fanapahany izay nanapahany, fa hongotana ny fanjakany ka ho an’ ny hafa, fa tsy ho an’ ireo.