Bokin'i Daniela 8:2
Ary nahita tamin’ ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka izay ao amin’ ny tany Elama aho; ary nahita tamin’ ny fahitana aho, ka teo amoron’ ny ony Olay aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 14:1Ary tamin’ ny andron’ i Amrafela, mpanjakan’ i Sinara, sy Arioka, mpanjakan’ i Elasara, sy Kedorlaomera mpanjakan’ i Elama, ary Tidala, mpanjakan’ ny Goïma,
Nehemiah 1:1Ny tantaran’ i Nehemia, zanak’ i Hakalia. Tamin’ ny volana Kisleo tamin’ ny taona faharoa-polo, raha tany an-dapa any Sosana aho,
Esther 2:8Koa nony re ny tenin’ ny mpanjaka sy ny lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin’ ny fehin’ i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon’ ny mpanjaka koa Estera ho amin’ ny fehin’ i Hegay, mpifehy ny vehivavy.
Esther 7:6Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny vadin’ ny mpanjaka Hamana.
Esther 9:11Androtrizay ihany dia nambara tamin’ ny mpanjaka ny isan’ ny voavono tany Sosana renivohitra.
Isaiah 11:11Ary amin’ izany andro izany ny Tompo dia mbola haninjitra ny tànany fanindroany hanavotra ny olony, izay mbola sisa, avy any Syria sy Egypta sy Patrosa sy Etiopia sy Elama sy Sinara sy Hamata Ary ny avy any amin’ ny moron-dranomasina.