Bokin'i Daniela 8:15
Ary nony nahita ny fahitana izaho Daniela ka nitady hahafantatra izany, dia, indro, nisy nanana tarehy tahaka ny olona nitsangana teo anatrehako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 9:6Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
Daniel 7:13Ary mbola nahita tamin’ ny fahitana tamin’ ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak’ olona avy tamin’ ny rahon’ ny lanitra, ary nankeo amin’ ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
Daniel 7:28Hatramin’ izao no faran’ izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.
Daniel 10:16Ary, indro, nisy anankiray miendri-janak’ olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny nanao tamin’ ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon’ ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony.
Daniel 12:8Ary nandre izany aho, nefa tsy nahafantatra; dia hoy izaho: Tompoko ô, hanao ahoana no hiafaran’ ireo zavatra ireo?
Matthew 13:36Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ ny tsimparifary tany an-tanimbary.