Bokin'i Daniela 8:3
Dia natopiko ny masoko, ka hitako, fa, indro, nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron’ ny ony, izay nanana tandroka roa; lava ireo tandroka ireo, ary ny anankiray lava noho ny anankiray, nefa ilay lavalava kokoa no niposaka taoriana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 5:13Ary nony teo akaikin’ i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman’ ny fahavalonay?
Ezra 1:2Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
Esther 1:3tamin’ ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben’ ny miaramilan’ i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin’ ireo komandin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakany;
Isaiah 21:2Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
Jeremiah 51:11Lambolamboy ny zana-tsipìka, tano ny ampinga; Jehovah efa namporisika ny fanahin’ ny mpanjakan’ ny Mediana; Fa ny hamely an’ i Babylona no nosaininy, mba handringanana azy; Fa famalian’ i Jehovah izany, eny, famaliana noho ny tempoliny.