Bokin'i Daniela 8:23
Ary ny hiafaran’ ny fanjakany, rehefa tanteraky ny mpanota ny asany, dia hisy mpanjaka hitsangana, izay masia-tarehy sy mahafantatra zavatra saro-pantarina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 24:24Ary hisy sambo avy any amin’ ny tany Kitima, dia hampietry an’ i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany.
Ezekiel 38:8Rehefa afaka andro maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin’ ny tany izay novonjena ka afaka tamin’ ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany amin’ ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin’ ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy rehetra.
Daniel 7:8Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan’ io ny tandroka telo tamin’ ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason’ olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
Daniel 7:20ary ny amin’ ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
Daniel 8:9Ary nisy tandroka kely nipoitra avy tamin’ ny anankiray amin’ ireny ka nihalehibe indrindra nianatsimo sy niantsinanana ary nankany amin’ ny tany mahafinaritra.
Daniel 10:14Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin’ izany andro izany ny fahitana.