Bokin'i Daniela 8:24
Ary ho be ny heriny, nefa tsy amin’ ny herin’ ny tenany; ary mahagaga ny fanimbana hataony; ary hambinina izy ka hahefa ary hanimba ny mahery sy ny olo-masìna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Daniel 7:25Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr’ andro iray sy ny fetr’ andro roa ary ny antsasaky ny fetr’ andro.
Daniel 8:12Ary nisy maro be mbamin’ ny fanatitra isan’ andro natolotra azy noho ny fahadisoana, dia nazerany ho amin’ ny tany ny fahamarinana; ary niasa izy sady nambinina.
Daniel 11:31Ary hisy miaramila hitsangana noho ny teniny ka handoto ny fitoerana masìna, dia ny fiarovana mafy, ary hampitsahatra ny fanatitra isan’ andro sady hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana.
Daniel 12:7Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ ny rano amin’ ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin’ ny lanitra ka reko nianiana tamin’ Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ ny olo-masìna, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
Revelation 16:6fa ny ran’ ny olona masìna sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany.
Revelation 17:12Ary ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo izay tsy mbola nahazo fanjakana; fa mandray fahefana ho toa mpanjaka iray ora miaraka amin’ ny bibi-dia izy.