Bokin'i Daniela 10:14
Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin’ izany andro izany ny fahitana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin’ ny tany aho sady tsy nahateny.
Read all of Bokin'i Daniela 10
Cross References
Numbers 24:14Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin’ ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin’ izay hataon’ ity firenena ity amin’ ny vahoakanao any am-parany.
Deuteronomy 31:21Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan’ ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ ny tany izay nianianako homena azy izy.
Ezekiel 38:16ary hiakatra hamely ny Isiraely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao; any am-parany no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran’ ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masìna eo anatrehany Aho amin’ ny ataoko aminao, ry Goga.
Daniel 8:26Ary dia marina ny amin’ ireo andro voalaza ireo, nefa ahorony ny fahitana, fa mbola ho andro maro izany.
Daniel 10:1Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, dia nisy nambara tamin’ i Daniela, izay atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana.
Daniel 12:9Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ ny andro farany.