Bokin'i Daniela 9:15
Koa ankehitriny, Tompo Andriamanitray ô, Izay nitondra ny olonao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta tamin’ ny tanana mahery ka nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’ izao anio izao, efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 6:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin’ i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin’ ny taniny.
Exodus 9:16Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ ny tany rehetra ny anarako.
Exodus 13:9Dia ho famantarana ho anao eo amin’ ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn’ i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta.
Exodus 13:16Ary ho famantarana eo amin’ ny tananao sy ho fehy eo ambonin’ ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
Exodus 14:18dia ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah, rehefa ankalazaina Aho noho ny ataoko amin’ i Farao sy ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny.
1 Kings 8:51fa olonao sy lovanao izy, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta, dia avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by,