Exodus 13:16
Ary ho famantarana eo amin’ ny tananao sy ho fehy eo ambonin’ ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 6:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin’ i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin’ ny taniny.
Exodus 12:13Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.
Exodus 13:9Dia ho famantarana ho anao eo amin’ ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn’ i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta.
Deuteronomy 5:15Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
Deuteronomy 6:8ary fehezo ho famantarana eo amin’ ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao,
Deuteronomy 11:18Koa alatsaho ao amin’ ny fonareo sy ao amin’ ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin’ ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinareo;