Bokin'ny Deoteronomia 11:21
mba ho maro ny andronareo sy ny andron’ ny taranakareo eo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy, toy ny faharetan’ ny lanitra ambonin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20ary soraty eo amin’ ny tolam-baravaran’ ny tranonao sy eo amin’ ny vavahadinao izy;
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 11
Cross References
Deuteronomy 4:40Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
Deuteronomy 6:2mba hatahoranao an’ i Jehovah Andriamanitrao, hitandremanao ny lalàny rehetra sy ny didiny izay andidiako anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin’ ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
Psalms 72:5Hatahotra anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Psalms 89:30Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan’ ny lanitra.
Proverbs 3:16Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
Proverbs 9:11Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.