Bokin'ny Deoteronomia 26:19
sy hanandratany anao ho ambonin’ ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 26
Cross References
Exodus 19:5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Deuteronomy 4:7Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an’ i Jehovah Andriamanitra amin’ izay rehetra iantsoantsika Azy?
Deuteronomy 28:1Raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’ i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany ianao;
Deuteronomy 28:13Dia hataon’ i Jehovah ho lohany ianao, fa tsy ho rambony; ary ho ambony tokoa ianao, fa tsy ho ambany, raha mihaino ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao, izay andidiako anao anio, ka mitandrina sy manaraka azy.
Isaiah 62:12Ary Ireny hotononina hoe Firenena masìna, dia olona navotan’ i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.
Jeremiah 13:11Fa toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin’ ny valahan’ ny olona no nampiraiketako ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda rehetra tamiko, hoy Jehovah, mba ho olona sy anarana sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy.