Bokin'ny Deoteronomia 26:18
Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 26
Cross References
Exodus 6:7Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo.
Leviticus 20:26Ary aoka ho masìna ho Ahy ianareo, satria masìna Aho Jehovah; ary efa navahako tamin’ ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.
Deuteronomy 14:2Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Deuteronomy 28:1Raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr’ i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin’ ny firenena rehetra amin’ ny tany ianao;
2 Samuel 7:24Dia nampitoerinao ny Isiraely olonao ho olonao mandrakizay: ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
Psalms 135:4Fa Jakoba nofidin’ i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,