Bokin'ny Deoteronomia 28:20
Hampandehanin’ i Jehovah aminao ny ozona, dia horohoro sy fampitahorana amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao, mandra-paharinganao sy mandra-pahalaninao faingana noho ny faharatsian’ ny nataonao tamin’ ny nahafoizanao Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Hozonina ianao, raha miditra; ary hozonina ianao, raha mivoaka.
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 28
Cross References
Leviticus 26:31Ary horavako ny tanànanareo, ka hatao lao ny fitoera-masinareo, ary tsy hamboloiko ny hanitrareo ankasitrahana.
Deuteronomy 4:26dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin’ ny tany izay alehanareo hita an’ i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.
Judges 2:15Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan’ i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain’ i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.
Job 24:18Mitsinkafona paohin’ ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin’ ny tany; Tsy mivily ho amin’ ny lalana mankeny amin’ ny tanim-boaloboka izy.
Psalms 80:4Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
Isaiah 30:17Ny arivo handositra, raha rahonan’ ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan’ ny dimy, Mandra-pahatongan’ ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon’ ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin’ ny havoana.