Bokin'ny Deoteronomia 5:15
Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Deoteronomia 5
Cross References
Exodus 13:3Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana, fa tamin’ ny tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
Exodus 13:14Ary raha hanontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton’ izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana;
Deuteronomy 4:34Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin’ ny firenena hafa va Andriamanitra amin’ ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
Deuteronomy 9:12Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midìna faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin’ ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.
Deuteronomy 16:12Ary tsarovy fa andevo tany Egypta ianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo.
Deuteronomy 24:22Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.